–Ity vahoaka ity dia manao tsinontsinona ny ranon’i Silôà izay misononòka mora; ka kivy izy manoloana an’i Retsîna sy manoloana ilay zanakalahin’i Remalià.
Mpitsara 9:19 - DIEM PROTESTANTA Koa raha tàhiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin’i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimelèka ary hifaliany anie ianareo! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka ianareo, ary aoka hifaly aminareo kosa izy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa raha tàhiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin’i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimelèka ary hifaliany anie ianareo! Baiboly Katolika Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny ankohonany, dia aoka i Abimeleka hampifaly anareo, ary ianareo kosa hampifaly azy. Baiboly Protestanta Malagasy koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo andro-any tamin’i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka hianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo. Malagasy Bible koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo. La Bible en Malgache koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka ianareo, ary aoka hifaly aminareo kosa izy! |
–Ity vahoaka ity dia manao tsinontsinona ny ranon’i Silôà izay misononòka mora; ka kivy izy manoloana an’i Retsîna sy manoloana ilay zanakalahin’i Remalià.
Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona.
fa izao ianareo dia sahy mirehareha sy mandoka tena; ratsy avokoa ny fireharehana toy izany.
Nanomboka hatreo i Gidehôna dia nantsoina hoe Jerobahala, izany hoe «Aoka hiaro tena i Bahala»; ny antony moa dia ny amin’ny tenin’i Jôasy hoe: «Aoka hiaro tena i Bahala satria ny alitarany no noravana!»
nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.
Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’i Abimelèka ka handoro anareo mponin’i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an’i Abimelèka!