Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 8:4 - DIEM PROTESTANTA

Ary tonga teo Jôrdàna i Gidehôna sy ireo telonjato lahy niaraka taminy ka niampita. Efa reraka izy ireo nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nankany Jordana i Gideona dia nita izy sy ny telonjato lahy niaraka taminy, koa na dia efa reraka aza izy dia mbola nanenjika ihany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary tonga teo Jôrdàna i Gidehôna sy ireo telonjato lahy niaraka taminy ka niampita. Efa reraka izy ireo nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia tonga tany Jordany i Jedeôna ary nita azy izy sy ireo telon-jato lahy momba azy; efa sasatra izy nefa mbola nitozo nanenjika ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nankany Jordana i Gideona dia nita izy sy ny telonjato lahy niaraka taminy, koa na dia efa reraka aza izy dia mbola nanenjika ihany.

Jereo ny toko



Mpitsara 8:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan’andro kosa ny maha olona ao anaty:


Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin’ny fotoanandro isika raha tsy kivy.


Nosamboriny ireo lehibe midianita roa lahy, dia i Hôreba sy i Zeeba, ka i Hôreba novonoiny tao amin’ny vatolampin’i Hôreba ary i Zeeba kosa novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeeba. Avy eo dia mbola nanenjika ny Midianita ihany izy. Ary ny lohan’i Hôreba sy i Zeeba dia avy teny atsinanan’i Jôrdàna no nentiny tany amin’i Gidehôna.


Fa teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra an’i Hôreba sy i Zeeba lehiben’ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran’ireo Efraîmita, rehefa nandre izany tenin’i Gidehôna izany izy.


satria reraka loatra ka tsy afa-niampita; fa i Davida sy ny efajato lahy no nanohy ny fanenjehana ireo Hamalekita.


Ary nanontany tamin’ny TOMPO i Davida hoe: –Raha henjehiko ve ireny tontakely ireny, dia mety ho azoko? Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy: –Enjeho izy ireo fa ho azonao, ary dia hoafahanao ireo babo.