Mpitsara 8:34 - DIEM PROTESTANTA Hadinony ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny Zanak’Israely dia tsy nahatsiaro NY TOMPO Andriamaniny izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hadinony ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy. Baiboly Katolika Tsy notsarovan’ny zanak’i Israely intsony i Iaveh Andriamanitr’izy ireo, izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Zanak’Isiraely tsy nahatsiaro an’i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ny tànan’ny fahavalony rehetra nanodidina, Malagasy Bible Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina, La Bible en Malgache Ary ny Zanak’Israely dia tsy nahatsiaro NY TOMPO Andriamaniny izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy |
Aza hadino Ilay nahary anao amin’ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: «Mankaleo ahy ny miaina.»
Moa manadino ny firàvany ve ny virijiny? sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina? Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy hatramin’ny andro maro tsy voaisa.
Nony mifampitantara nofy izy, dia tsy mikendry afa-tsy ny hanadinoan’ny vahoakako Ahy, tahaka ny nanadinoan’ny razany Ahy ka nanompoany an’i Bahala.
Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.
Kanefa kosa mitandrema ianareo ka miambena tena fandrao hanadino ny zavatra efa hitanareo maso na hamela izany hiala tao am-ponareo, amin’ny andro rehetra hiainanareo; fa ampahafantaro ny zanakareo aman-jafinareo izany.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Aserà.