«Rehefa mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin’ny hafa amin’ny vokatrareo.
Mpitsara 8:2 - DIEM PROTESTANTA Fa namaly azy i Gidehôna ka nanao hoe: –Inona moa izay nataoko raha mitaha amin’ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraîmita na dia teo amin’ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon’ny tarika abihezerita fiaviako? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao raha oharina amin’izay nataonareo? Tsy tsara noho ny fiotazam-boalobok’i Abiezera va ny fitsimponam-boalobok’i Efraima? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa namaly azy i Gidehôna ka nanao hoe: –Inona moa izay nataoko raha mitaha amin’ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraîmita na dia teo amin’ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon’ny tarika abihezerita fiaviako? Baiboly Katolika Fa izao no navalin’i Jedeôna azy: «Zinona moa no nataoko raha oharina amin’ny anareo? Moa tsy ny fitsimponam-boalobok’i Efraima aza no tsara, noho ny fararanom-boalobok’i Abiesera? Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’ izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’i Abiezera? Malagasy Bible Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera? La Bible en Malgache Hoy i Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao raha oharina amin’izay nataonareo? Tsy tsara noho ny fiotazam-boalobok’i Abiezera va ny fitsimponam-boalobok’i Efraima? |
«Rehefa mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin’ny hafa amin’ny vokatrareo.
Ny taranak’i Gilehada dia ireto fianakaviana ireto: ny Ihezerîta avy tamin’i Ihezera, ny Helekita avy tamin’i Heleka,
Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.
Fa notsindrian’ny Fanahin’ny TOMPO i Gidehôna, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin’ny tarika abihezerita hanaraka azy.
Ary hoy ny vatan-dehilahy efraîmita tamin’i Gidehôna: –Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin’ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
Fa teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra an’i Hôreba sy i Zeeba lehiben’ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran’ireo Efraîmita, rehefa nandre izany tenin’i Gidehôna izany izy.