Tsy mitongilana amin’ny lehibe Izy na mampandefitra ny mahantra eo anoloan’ny mpanankarena, fa asan’ny tanany avokoa izy rehetra.
Mpitsara 8:12 - DIEM PROTESTANTA Nitsoaka nandositra i Zebaha sy i Tsalmonà, mpanjaka midianita roa lahy, nefa nenjehin’i Gidehôna ka azony sambo-belona; dia izany no nampihorohoroany ny tafika midianita manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandositra i Zebaha sy i Zalmona ary nanenjika azy i Gideona ka nisambotra ny mpanjaka midianita roa lahy, dia i Zebaha sy i Zalmona, ary nopotehiny ny tafika manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsoaka nandositra i Zebaha sy i Tsalmonà, mpanjaka midianita roa lahy, nefa nenjehin’i Gidehôna ka azony sambo-belona; dia izany no nampihorohoroany ny tafika midianita manontolo. Baiboly Katolika Ka vaky nandositra i Zebea sy i Salmanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan’i Madiàna, i Zebea sy i Salmanà, ary nampifanaritahiny avokoa ny toby manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. Malagasy Bible Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. La Bible en Malgache Dia nandositra i Zebaha sy i Zalmona ary nanenjika azy i Gideona ka nisambotra ny mpanjaka midianita roa lahy, dia i Zebaha sy i Zalmona, ary nopotehiny ny tafika manontolo. |
Tsy mitongilana amin’ny lehibe Izy na mampandefitra ny mahantra eo anoloan’ny mpanankarena, fa asan’ny tanany avokoa izy rehetra.
Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny kibay namelezan’ny mpampiasa azy dia samy hopotehinao avokoa toy ny tamin’ny andro nampandosiranao ny Midianita.
Ka ny haingam-pandeha tsy hahita fierena, ny matanjaka tsy afaka hampiasa ny heriny, ary ny miaramila voafantina tsy hahavonjy ny tenany.
Ny lalan’ny mpifindrafindra lasy, teo atsinanan’ny faritra misy ny tarika Nôba sy ny tanàna Jôgbôhà, no narahin’i Gidehôna ka namelezany ny tobin’ny fahavalony izay tsy nanampo akory.