Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 7:7 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Ireo telonjato lahy izay nilelaka rano ireo no hamonjeko ny Israelita ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ary ny amin’ireo sisa kosa dia aoka samy hody any amin’ny fonenany avy izy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Ny telonjato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ny olona sisa rehetra kosa, aoka samy hody any amin’ny fonenany avy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Ireo telonjato lahy izay nilelaka rano ireo no hamonjeko ny Israelita ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ary ny amin’ireo sisa kosa dia aoka samy hody any amin’ny fonenany avy izy!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Amin’ireo telon-jato lahy nilelaka ireo, no hanafahako anareo, sy hanolorako an’i Madiàna ho eo an-tananao, fa ny vahoaka sisa rehetra aoka samy hody any aminy avy».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tànanao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin’ny fonenany avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Ny telonjato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ny olona sisa rehetra kosa, aoka samy hody any amin’ny fonenany avy!

Jereo ny toko



Mpitsara 7:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nisy telonjato ny lehilahy nandraoka rano tamin’ny tanany ho amin’ny vavany ka nilelaka azy, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika hisotro.


Koa telonjato lahy ihany no notazonin’i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin’ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran’ireo nandeha. Ny tobin’ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin’ny lemaka.


Dia hoy izany i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.


Ary i Davida nanontany indray ny Tompo, ka novaliany hoe: –Mandehana mankany Kehilà, fa hatolotro ho eo an-tananao ny Filistinina.