Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 7:6 - DIEM PROTESTANTA

Dia nisy telonjato ny lehilahy nandraoka rano tamin’ny tanany ho amin’ny vavany ka nilelaka azy, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika hisotro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Telonjato lahy no isan’izay nanainga ny tanany tany amin’ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika mba hisotro rano.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy telonjato ny lehilahy nandraoka rano tamin’ny tanany ho amin’ny vavany ka nilelaka azy, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika hisotro.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nisy telon-jato lahy no nilelaka ny rano tamin’ny tanany naingainy ho eo am-bavany, fa ny vahoaka sisa rehetra dia nandohalika avokoa no nisotro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary telon-jato lahy no isan’izay nanainga ny tànany tamin’ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Telonjato lahy no isan’izay nanainga ny tanany tany amin’ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika mba hisotro rano.

Jereo ny toko



Mpitsara 7:6
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia ny sakeli-drano ao an-dohasaha no hisotroan’ity Mpanjaka eny an-dalana. Izany sy izany no hampitraka Azy ho mpandresy.


Ny olona mihevitra ny ataony ho mety avokoa; fa ny TOMPO no mitsara ny toe-panahy manesika azy.


Dia nampidinin’i Gidehôna hankeo amoron-drano ny tafiny; ary hoy ny TOMPO taminy: –Izay rehetra milelaka ny rano amin’ny lelany toy ny fanaon’ny alika, dia avaho amin’ireo rehetra mandohalika hisotro kosa.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Ireo telonjato lahy izay nilelaka rano ireo no hamonjeko ny Israelita ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ary ny amin’ireo sisa kosa dia aoka samy hody any amin’ny fonenany avy izy!