Dia niverina namely ireo Benjaminita hafa ny Israelita ka isan-tanàna no nandringanany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona mbamin’ny biby fiompiny; ary ny tanàna rehetra, izay hitany tamin’izany faritany izany, dia nodorany avokoa.
Mpitsara 21:23 - DIEM PROTESTANTA Dia nanaraka io torohevitra io ny lehilahy benjaminita ka samy nisambotra vehivavy ho vadiny araka ny isany tamin’ireo tovovavy nandihy tao Silao; ary lasa niverina tany amin’ny zarataniny avy izy ka namboatra ny tanànany sy nonina tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia lasa izy ireo niverina ho any amin’ny lovany ary nanangana indray ireo tanàna ka nonina tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanaraka io torohevitra io ny lehilahy benjaminita ka samy nisambotra vehivavy ho vadiny araka ny isany tamin’ireo tovovavy nandihy tao Silao; ary lasa niverina tany amin’ny zarataniny avy izy ka namboatra ny tanànany sy nonina tao. Baiboly Katolika Dia nataon’ny taranak’i Benjamina izany, samy naka vady ho azy tamin’ny mpandihy nosamboriny, araka ny isany, izy ireo; ary niainga hody amin’ny lovany, dia nanorina ny tanànany indray sy nonina teo izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao. Malagasy Bible Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao. La Bible en Malgache Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia lasa izy ireo niverina ho any amin’ny lovany ary nanangana indray ireo tanàna ka nonina tao. |
Dia niverina namely ireo Benjaminita hafa ny Israelita ka isan-tanàna no nandringanany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona mbamin’ny biby fiompiny; ary ny tanàna rehetra, izay hitany tamin’izany faritany izany, dia nodorany avokoa.
Ny Israelita hafa kosa dia nirava tamin’ny fivoriana ka samy namonjy ny fokony sy ny fianakaviany ary ny zarataniny avy.