Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:10 - DIEM PROTESTANTA

Noho izany ny mpivory dia nandefa lehilahy mahery fo andiany 12 nankany Jabesy sady nanome baiko azy hoe: –Ndeha aringàno ny mponina ao Jabesy-Gilehada hatramin’ny zaza aman-behivavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alina ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy-Gileada mbamin’ny zaza amam-behivavy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany ny mpivory dia nandefa lehilahy mahery fo andiany 12 nankany Jabesy sady nanome baiko azy hoe: –Ndeha aringàno ny mponina ao Jabesy-Gilehada hatramin’ny zaza aman-behivavy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa naniraka lehilahy roa arivo sy iray alina anisan’ny mahery hamely azy ny fiangonana, ary nomeny didy hoe: «Mandehana asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy any Galaada, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin’ny lelan-tsabatra mbamin’ny zaza amim-behivavy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alina ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy-Gileada mbamin’ny zaza amam-behivavy.

Jereo ny toko



Mpitsara 21:10
9 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny vonoy ho faty avokoa ny zaza lahy rehetra ary koa ny vehivavy rehetra efa nanambady.


dia dinihonareo sy anontanio ary fotory tsara. Raha nisy marina ka natao teo anivonareo izany zavatra mahatsiravina izany,


Dia noraofin’i Josoa sy ny Israelita rehetra i Hakàna zafiafin’i Zera, noraofiny niaraka tamin’ny volafotsy sy ny akanjobeny ary ny anja-bolamena. Nalain’ireo koa ny zanakalahin’i Hakàna sy ny zanakavaviny, mbamin’ny ombiny sy ny borikiny, ondry aman’osiny, ary ny lainy mbamin’izay rehetra azy ka nentiny ho any amin’ny lohasaha Hakôra.


Dia nifanontany ny Israelita hoe: –Tamin’ny fokon’i Israely rehetra, moa nisy foko tsy tonga tamin’ilay fivoriana natao teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà ve? Efa nianiana mafy manko ry zareo tamin’izay fa na iza na iza tsy tonga teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà dia hatao maty.


Dia nifanadihady teo izy mba hahalalana raha nisy vondron’olona tamin’ny fokon’i Israely tsy tonga niseho teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà. Koa hitany fa ny olona avy any Jabesy-Gilehada ihany no tsy tonga tao an-toby nivoriana.


Fa rehefa natao ny fanisana ny mpandray anjara, dia tsy nisy vatan-dehilahy tonga avy any Jabesy na iray aza.


Ozòny ny tanàna Merôza, hoy ilay anjelin’ny TOMPO. Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin’ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.


Naka omby roa izy, ka notetitetehiny madinika izany, ary nasainy nentin’ireo iraka manerana ny faritan’i Israely, miaraka amin’izao fampitandremana hoe: –Ho toy izao anie ny hanjo ny ombin’izay tsy manaraka an’i Saoly sy i Samoela hiady! Azon-korohoro ny amin’izay mety hataon’ny TOMPO ireo Israelita ka niainga hiady toy ny olona iray ihany.


Koa ankehitriny, mandehana tafiho ny Hamalekita, ary levony avokoa izay rehetra ananany fa aza asiana miangana sy indrafo. Vonoy ho faty avokoa na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza minono, na omby na ondry, na rameva na boriky.»