sady mpitondra tsipìka sy antsamotady ka mahay manavia sy manavanana raha mandefa vato sy zana-tsipîka. Ireto ny avy amin’ny tarik’i Saoly, anisan’ny fokon’i Benjamîna:
Mpitsara 20:16 - DIEM PROTESTANTA Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin’ny antsamotady nefa tsy mivaona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo amin’izany olona rehetra izany dia nisy olona kavia fitonjato lahy voafantina, samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady ka tsy nisy nivaona na dia toy ny singam-bolo iray aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin’ny antsamotady nefa tsy mivaona. Baiboly Katolika Nisy fiton-jato lahy voafantina tamin’ireo vahoaka rehetra ireo tsy mampiasa ny tanany havanana: ireo mpiady ireo samy mahay mitoraka singam-bolo amin’ny vaton’antsamotady, ka mahavoa azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary teo amin’izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza. Malagasy Bible Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza. La Bible en Malgache Teo amin’izany olona rehetra izany dia nisy olona kavia fitonjato lahy voafantina, samy nahay nitoraka tamin’ny antsamotady ka tsy nisy nivaona na dia toy ny singam-bolo iray aza. |
sady mpitondra tsipìka sy antsamotady ka mahay manavia sy manavanana raha mandefa vato sy zana-tsipîka. Ireto ny avy amin’ny tarik’i Saoly, anisan’ny fokon’i Benjamîna:
Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.
Tetsy an-kilany, rehefa natao fanisana kosa ireo vatan-dehilahy tamin’ny Israelita hafa, dia nahitana vata-miaramila nisy andiany efajato samy kinga famely sabatra sady zatra ady avokoa.
Niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita ka nanirahany mpamonjy, dia i Ehoda, lehilahy kavia, izay zanak’i Gerà avy amin’ny fokon’i Benjamîna. Dia nalefan’ny Israelita i Ehoda mba hitondra fanomezana ho an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.
Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron’ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina.
Raha misy olona milofo hanenjika anao, tompoko, ka mitady hahafaty anao, dia ny TOMPO Andriamanitrao hiaro mandrakariva ny ainao eo anilany, fa ny ain’ny fahavalonao kosa hatorany lavitra, toy ny atoraka amin’ny antsamotady.