Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 2:6 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa nampodin’i Josoa ny vahoaka, dia samy nandeha namonjy ny anjara taniny avy ny Israelita rehetra, ka nahazo ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nampodìn’i Josoa ny vahoaka dia nandeha ho any amin’ny lovany avy ny Zanak’Israely rehetra mba handray ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nampodin’i Josoa ny vahoaka, dia samy nandeha namonjy ny anjara taniny avy ny Israelita rehetra, ka nahazo ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Rehefa nampodin’i Jôsoe ny vahoaka, dia samy nankany amin’ny lovany avy ny zanak’i Israely mba haka ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY rehefa nampodin’i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin’ny lovany avy ny Zanak’Isiraely rehetra handova ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nampodìn’i Josoa ny vahoaka dia nandeha ho any amin’ny lovany avy ny Zanak’Israely rehetra mba handray ny tany.

Jereo ny toko



Mpitsara 2:6
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: –Modia any aminareo miaraka amin’ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin’ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin’ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon’i Manase dia nomen’i Mosesy zaratany tao Basàna, teny ampita atsinanan’i Jôrdàna; ny antsasany kosa nomen’i Josoa zaratany teny ampita andrefan’i Jôrdàna, niaraka tamin’ireo foko hafa.


Ary izany toerana izany dia nantsoiny hoe Bokima na Mpitomany; dia nanao sorona teo izy ho an’ny TOMPO.


Ary ny vahoaka dia nanompo ny TOMPO nandritra ny andro rehetra niainan’i Josoa ary koa taorian’ny nahafatesany, izany hoe nandritra ny andro rehetra niainan’ireo loholona izay nahita ny zava-dehibe isan-karazany nataon’ny TOMPO ho an’i Israely.