Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe: «Any Geba isika no hitoby anio alina.» Mangovitra noho ny tahotra ny ao Ramà; lasa mitsoaka ny ao Gibehà, izay tanàna fiavian’i Saoly.
Mpitsara 19:13 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy koa izy tamin’ny zatovony: –Aoka isika hanatratra an’i Gibehà na Ramà, ka ny iray amin’ireo toerana ireo no handriantsika anio alina! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ihany izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hizotra hakamin’ny iray amin’irerỳ tanàna irerỳ, dia i Gibea na i Rama, ka handry any. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy koa izy tamin’ny zatovony: –Aoka isika hanatratra an’i Gibehà na Ramà, ka ny iray amin’ireo toerana ireo no handriantsika anio alina! Baiboly Katolika Dia hoy koa izy tamin’ny mpanompony: «Andeha ataovy izay hahatrarantsika ny iray amin’ireto tanàna ireto, dia i Gabaà na i Ramà; any isika no handry». Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hankamin’ny anankiray amin’ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any. Malagasy Bible Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any. La Bible en Malgache Hoy ihany izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hizotra hakamin’ny iray amin’irerỳ tanàna irerỳ, dia i Gibea na i Rama, ka handry any. |
Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe: «Any Geba isika no hitoby anio alina.» Mangovitra noho ny tahotra ny ao Ramà; lasa mitsoaka ny ao Gibehà, izay tanàna fiavian’i Saoly.
Tsofy ao Gibehà ny anjomara ary tsofy ao Ramà ny trompetra. Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana. Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamîna!
i Tselà, i Elefa, ny tanànan’ny Jebosita (izany hoe i Jerosalema), i Gibehata, ary i Kiriata; izany hoe tanàn-dehibe 14 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy. Izany no zaratany nolovan’ny Benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny.
Fa novalian’ny tompony hoe: –Tsia, tsy ho any amin’izay tanànan’ny firenen-kafa tsy misy Israelita isika, fa hanohy ny dia hatrany Gibehà.
Dia nanohy ny diany izy. Ary efa nilentika ny masoandro fony izy tonga teo akaikin’i Gibehà, tao amin’ny faritanin’i Benjamîna.
I Saoly koa mba nody tany aminy any Gibehà, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy izay nentanin’Andriamanitra ho mpomba azy.