Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 16:19 - DIEM PROTESTANTA

Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanàra ny foto-bolo fito amin’ny lohan’i Samsôna dia niantomboka tamin’izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ravehivavy nanondana an’i Samsona hatory teo an-dohaliny dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin’ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny.

Jereo ny toko



Mpitsara 16:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay toy ny fandrika. Ny fitiavany dia toy ny harato ary ny sandriny toy ny fatorana. Izay lehilahy sitrak’Andriamanitra dia afa-mandositra azy, fa ny mpanota kosa: ho azony.


Takatr’i Delilà tamin’izay fa nambaran’i Samsôna azy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony, koa nandefa iraka izy hiantso ireo mpanjaka filistinina sy hilaza aminy hoe: –Tongava amin’izay ianareo amin’ity indray mandeha ity, fa efa nambaran’i Samsôna ahy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony. Dia nankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ary nanome azy ny vola.


Ary nihiaka mafy i Delilà hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.