Imbetsaka izy no nafahan’ny Tompo, saingy nikiry tamin’ny fikomiany ka nilentika tanaty heloka hatrany.
Mpitsara 16:14 - DIEM PROTESTANTA Dia nampatorin’i Delilà i Samsôna ka notenominy hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito tamin’ny volon-dohany ary naompany tamin’ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nampatorin’i Delilà i Samsôna ka notenominy hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito tamin’ny volon-dohany ary naompany tamin’ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona. Baiboly Katolika Dia naompan-dravehivavy tamin’ny fàntaka ireny. Rehefa izany dia hoy izy taminy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Taitra tamin’ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana ny tenona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary notsatohany ny fàntaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy, ka nongotany ny fàntaka sy ny tenona. Malagasy Bible Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona. La Bible en Malgache Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona. |
Imbetsaka izy no nafahan’ny Tompo, saingy nikiry tamin’ny fikomiany ka nilentika tanaty heloka hatrany.
Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: –Raha tenominao hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito amin’ny volon-dohako ka aompanao amin’ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.
Ary hoy i Delilà taminy: –Ahoana no ilazanao fa tia ahy ianao, kanefa ianao tsy matoky ahy akory? Indro efa intelo izao ianao no namitaka ahy ka tsy mbola nampahalala ahy ihany izay iavian’ny herinao lehibe.