Koa hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: –Hitanareo ilay sahan’i Jôaba mifanakaiky amin’ny ahy, ary misy ôrza! Mandehana doroy. Dia nodoran’ny mpanompon’i Absalôma ny saha.
Mpitsara 15:4 - DIEM PROTESTANTA Ary lasa i Samsôna nisambotra amboahaolo telonjato. Naka zavatra hatao tsolo koa izy, dia nafatony tsiroaroa ny rambon’ny amboahaolo, ary nafatony teo anelanelan’ny rambony ny tsolo iray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia lasa nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato; dia naka zavatra hatao fanilo izy ary nampifanendreny tsiroaroa avy ny rambon’ny amboahaolo ka nofehezany fanilo iray teo anelanelan’ny rambony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary lasa i Samsôna nisambotra amboahaolo telonjato. Naka zavatra hatao tsolo koa izy, dia nafatony tsiroaroa ny rambon’ny amboahaolo, ary nafatony teo anelanelan’ny rambony ny tsolo iray. Baiboly Katolika Dia lasa i Samsôna nisambotra amboahaolo telon-jato sy naka fanilo. Nampifamatoriny ny rambon’ny amboahaolo, ka nasiany fanilo iray eo anelanelan’ny rambony roa, eo afovoany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon’ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan’ny rambony ilay hatao fanilo. Malagasy Bible Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo. La Bible en Malgache Dia lasa nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato; dia naka zavatra hatao fanilo izy ary nampifanendreny tsiroaroa avy ny rambon’ny amboahaolo ka nofehezany fanilo iray teo anelanelan’ny rambony. |
Koa hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: –Hitanareo ilay sahan’i Jôaba mifanakaiky amin’ny ahy, ary misy ôrza! Mandehana doroy. Dia nodoran’ny mpanompon’i Absalôma ny saha.
Ireo olona mitady hahafaty ahy, aoka hiharan-doza tsy ampoizina ka hiditra amin’ny fonenan’ny maty, any amin’ny fanambanin’ny tany!
Ny olona mamitaka ny namany ka manao aminy hoe: «Vazivaziko ihany izany,» dia tahaka ny olona adala mandefa forohana sy zana-tsipîka mahafaty.
«Sambory ka omeo anay ny fosa, dia ireo zanaka fosa mpanimba ny tanimboalobokay fa efa mamony izao ny voalobokay.»
Ary lazao aminy hoe: «Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran’i Retsîna avy any Siria sy ny fahatezeran’ny zanakalahin’i Remalià, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo.
Dia hoy i Samsôna taminy: –Amin’izao indray mandeha izao dia afa-tsiny aho raha hanao ratsy amin’ny Filistinina.
Dia narehiny ny tsolo ary nalefany ireo amboahaolo ireo hankeny amin’ny tanimbarin’ny Filistinina ka nandoro ireo amboara sy salohim-bary ary koa ireo voly voaloboka sy voly ôliva.