ka hanavahanareo ny biby madio sy maloto ary ny biby izay fihinana sy izay tsy fihinana.
Mpitsara 13:4 - DIEM PROTESTANTA Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa mitandrema ianao ankehitriny ka aza misotro divay na toaka ary aza mihinana izay zavatra maloto, na inona na inona izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto, Baiboly Katolika Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto, Baiboly Protestanta Malagasy Koa mitandrema hianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina. Malagasy Bible Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina. La Bible en Malgache Koa mitandrema ianao ankehitriny ka aza misotro divay na toaka ary aza mihinana izay zavatra maloto, na inona na inona izany. |
ka hanavahanareo ny biby madio sy maloto ary ny biby izay fihinana sy izay tsy fihinana.
Eny, ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny.
Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Manôà: –Tokony hotandreman’ny vadinao avokoa izay rehetra nolazaiko taminy:
tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.
Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny.