Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 13:24 - DIEM PROTESTANTA

Ary nitera-dahy ny vadin’i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niteraka zazalahy Ravehivavy ka ny anarany nataony hoe Samsona. Dia nitombo ny zaza ary NY TOMPO nitahy azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nitera-dahy ny vadin’i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsôna no anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niteraka zazalahy Ravehivavy ka ny anarany nataony hoe Samsona. Dia nitombo ny zaza ary NY TOMPO nitahy azy.

Jereo ny toko



Mpitsara 13:24
6 Rohy Ifampitohizana  

Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin’ny vahoaka Israely.


Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.


Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.


Ary notahin’ny TOMPO i Hanà, dia nanan-janaka ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Fa i Samoela kosa tamin’izay dia nitombo teo anatrehan’ny TOMPO.


Ary nitombo tena i Samoela kely sady nandroso nahatehotia tamin’ny TOMPO sy ny olona.


Ary nihalehibe i Samoela sady nomba azy ny TOMPO; ka tsy nisy tsy tanteraka izay teny rehetra nasainy nambaran’i Samoela.