Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 13:12 - DIEM PROTESTANTA

Fa hoy indray i Manôà hoe: –Izao àry, rehefa ho tanteraka tokoa ny teninao, dia inona no fitsipika tokony harahinay momba ny zaza? Ary inona no tokony hataonay aminy?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no fomba hitondranay ny zaza ary inona no ho asany?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hoy indray i Manôà hoe: –Izao àry, rehefa ho tanteraka tokoa ny teninao, dia inona no fitsipika tokony harahinay momba ny zaza? Ary inona no tokony hataonay aminy?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy i Manôe: «Amin’izao àry rehefa tanteraka ny teninao, inona no tsy maintsy tandremanay momba izany zaza izany, ary inona no tsy maintsy atao ho azy?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no fomba hitondranay ny zaza ary inona no ho asany?

Jereo ny toko



Mpitsara 13:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»


Ataovy tsapako isa-maraina ny fitiavanao, satria Ianao no itokiako; ampahafantaro ahy ny lalan-kizorako, satria Ianao no ifantohako.


Vao manomboka fiainana, dia omeo fizàrana tsara ny zaza; fa na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.


Nampianatra ahy i dada ka nanao tamiko hoe: «Tano mafy ao am-ponao ny teniko; tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.


Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin’ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.


Dia nanaraka ny vadiny avy hatrany i Manôà, ka nankany amin-dralehilahy ary nanontany azy hoe: –Ianao ve ilay lehilahy izay niteny tamin’ny vadiko? Ka novaliany hoe: –Eny, izaho no izy.


Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Manôà: –Tokony hotandreman’ny vadinao avokoa izay rehetra nolazaiko taminy: