Namonjy ny Israelita teo an-tanan’ny Ejiptianina ny TOMPO tamin’izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina.
Mpitsara 10:11 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’ny Israelita: –Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amôrita na ny Hamônita sy ny Filistinina Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamin’ny Zanak’Israely: Moa tsy nampahory anareo va ny Ejiptiana, ny Amorita, ny Amonita, ny Filistina, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’ny Israelita: –Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amôrita na ny Hamônita sy ny Filistinina Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely: «Moa tsy efa nanafaka anareo va Aho, tamin’ny Ejiptianina sy ny Amôreana ary ny taranak’i Amôna, mbamin’ny Filistinina? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’ny Zanak’Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin’ny tànan’ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak’i Amona ary ny Filistina va Aho? Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho? La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamin’ny Zanak’Israely: Moa tsy nampahory anareo va ny Ejiptiana, ny Amorita, ny Amonita, ny Filistina, |
Namonjy ny Israelita teo an-tanan’ny Ejiptianina ny TOMPO tamin’izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina.
Dia nasian’ny Israelita tsy nisy niangana i Hôga sy ny zanany ary ny tafiny manontolo, ka lasany ny taniny.
Finoana no nitan’ireo Israelita ny Ranomasina Mena toy ny nandia tany maina; fa nony mba nanandrana nanao toy izany ireo Ejiptianina, dia voatelin’ny rano.
Nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razambeny Izay nitondra azy niala tany Ejipta izy ka nandeha nanompo andriamani-tsiizy, dia ny andriamanitr’ireo firenena manodidina azy. Andriamani-tsiizy no niankohofan’ny Israelita; ka nahatezitra ny TOMPO izany.
sady nanainga azy hoe: –Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Môabita fahavalontsika. Dia nanaraka an’i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna, ary tsy nisy Môabita navelany hita na iray aza.
Ary i Samgary, zanakalahin’i Hanata, no nandimby an’i Ehoda. Nahafaty ny Filistinina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka nanafaka ny Israelita ihany koa.
Rehefa tonga tany Ejipta ry Jakôba, dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny razanareo; koa nandefa an’i Mosesy sy i Aharôna IZY hitondra azy hiala tany Ejipta ary hametraka azy amin’ity tany ity.