Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.
Mpitsara 1:20 - DIEM PROTESTANTA Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Hebrona dia nomena an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao ireo Anakita telo lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao. Baiboly Katolika Nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka ny voalazan’i Môizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Enàka telo lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hebrona dia nomeny an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita. Malagasy Bible Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita. La Bible en Malgache Ary i Hebrona dia nomena an’i Kaleba, araka izay efa nolazain’i Mosesy, ka noroahin’i Kaleba niala tao ireo Anakita telo lahy. |
Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.
Fa i Kaleba mpanompoko, izay nanam-panahy hafa ka tsy nisalasala nanaraka Ahy, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany; ary hahazo izany tany izany ny taranany,
Tsy hisy hahita azy afa-tsy i Kaleba, zanakalahin’i Jefone; ary dia izy sy ireo zanany no homeko ny faritany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka Ahy TOMPO i Kaleba.»
Dia niala tao Heglôna i Josoa sy ny Israelita niaraka taminy ka niakatra ho any Hebrôna, ary nanafika azy.
Tamin’izany fotoana izany koa i Josoa no nandeha niady tamin’ny Hanakita rehetra izay tany amin’ny faritra be tendrombohitra, dia tany Hebrôna sy Debira ary Hanaba mbamin’ny havoan’i Joda sy i Israely manontolo. Nasain’i Josoa naringana avokoa izy sy ny tanànany
Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.
Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.