Saingy mba niandrandra hasambarana aho, kanjo sendra ny fahoriana; ary mba nanantena ny mazava aho, kanjo sendra ny haizina.
Mika 1:12 - DIEM PROTESTANTA Mangovitra ny amin’ireo tombon-tsoany ny mponina ao Marôta, satria efa nidina ho ao am-bavahadin’i Jerosalema ny loza avy tamin’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitaintaina ny amin’ny soa ho azy ny mponina ao Marota satria loza no nidina avy tamin’NY TOMPO ho ao am-bavahadin’i Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mangovitra ny amin’ireo tombon-tsoany ny mponina ao Marôta, satria efa nidina ho ao am-bavahadin’i Jerosalema ny loza avy tamin’ny TOMPO. Baiboly Katolika Ory ikala mponina ao Marôty, noho ny amin’ny fananany; fa nidina avy tany amin’i Iaveh ny loza, ho eo am-bavahadin’i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’i Jehovah ho ao am-bavahadin’i Jerosalema. Malagasy Bible Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema. La Bible en Malgache Mitaintaina ny amin’ny soa ho azy ny mponina ao Marota satria loza no nidina avy tamin’NY TOMPO ho ao am-bavahadin’i Jerosalema. |
Saingy mba niandrandra hasambarana aho, kanjo sendra ny fahoriana; ary mba nanantena ny mazava aho, kanjo sendra ny haizina.
Izaho no mamorona ny mazava sy mahary ny maizina. Izaho no manome fahasambarana sy mahary ny loza. Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.
Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.
Nanantena fiadanana isika, nefa tsy nisy soa akory. Nanantena fotoam-panasitranana isika kanjo indro zava-mampihorohoro.
Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?
satria tsy mety sitrana ny ratran’i Samaria fa mitatra hatrany Joda aza, ka tonga hatreo am-bavahadin’i Jerosalema izay tanànan’ny mpiray firenena amiko.
fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Aoka aho tsy antsoinareo intsony hoe Nahômỳ, ilay sambatra; fa aoka antsoinareo hoe Marà, ilay ory, satria Andriamanitra Tsitoha efa nampahory ahy loatra.
Tamin’ny fahatongavany dia efa nipetraka tamin’ny sezany teo amoron-dalana i Helỳ niandry sady nanahy mafy ny amin’ilay Vatamasin’Andriamanitra. Dia tonga nanambara ny vaovao tao an-tanàna ralehilahy, ka nikiakiaka nitomany ny iray tanàna.