Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 10:8 - DIEM PROTESTANTA

Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia*; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko



Matio 10:8
15 Rohy Ifampitohizana  

He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinàna fa tsy ialam-bola izany; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.


Fa ianao sy ny taranakao kosa dia hanatanteraka ny fisoronanareo eo amin’ny alitara sy ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ao ambadiky ny efitra lamba. Izaho no hanome anareo maimaimpoana izany asa fisoronana izany; raha misy olon-kafa manakaiky eo dia tsy maintsy maty izy.


Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany 12 lahy ka nomeny fahefana handroaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.


Ary rehefa mandeha ianareo, dia manaova antso avo hoe: «Efa tonga ny Fanjakàn’ny lanitra!»


Aza mitady vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina;


handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin’ny marary, dia ho sitrana ireny.


sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.»


Fa hoy i Petera taminy: –Tsy ananako na ny volafotsy na ny volamena, fa izay ananako no omeko anao: amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangàna ka mandehana!


ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin’ny anaran’i Jesoa ilay Mpanomponao masina.