Matio 1:25 - DIEM PROTESTANTA Tsy niray tamin’i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an’i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan’i Jôsefa ny zaza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany dia nataony hoe: JESOSY. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy niray tamin’i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an’i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan’i Jôsefa ny zaza. Baiboly Katolika ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe jesosy. Malagasy Bible Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy. La Bible en Malgache Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany dia nataony hoe: JESOSY. |
Tsara tarehy fatratra ilay tovovavy ka tonga mpitaiza sy mpanompon’ny mpanjaka; nefa tsy niray taminy akory ny mpanjaka.
–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.
«Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman’osy, dia avelao ho eo amin’ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin’ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.
Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotany.
Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy, ka nampakatra an’i Maria vadiny.
Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain’ny anjely talohan’ny nahatorontoronina Azy.
Teraka ny lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandrîny teo amina fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana ho azy telo mianaka tao amin’ny trano fivantanam-bahiny.
Satria izay nofidin’Andriamanitra mialoha dia voatendry rahateo koa hitovy endrika amin’ilay Zanany, mba hahatonga ny Zanany ho lahimatoa manan-jandry maro.