Marka 9:13 - DIEM PROTESTANTA Eny, hoy Aho aminareo, efa tonga tokoa i Elià sady nanaovan’ny sasany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga i Elia sady efa nanamparan’ny olona ny sitrapony izy, araka izay voasoratra ny aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, hoy Aho aminareo, efa tonga tokoa i Elià sady nanaovan’ny sasany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba azy. Baiboly Katolika Nony tafaverina teo amin’ny mpianany Izy dia nahita vahoaka betsaka nanodidina Azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy. Malagasy Bible Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy. La Bible en Malgache Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga i Elia sady efa nanamparan’ny olona ny sitrapony izy, araka izay voasoratra ny aminy. |
Ary hoy i Jesoa taminy: –Tsy maintsy ho avy i Elià hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia; fa ahoana kosa no ilazan’ny Soratra Masina momba ny Zanak’olona fa hoe tsy maintsy hijaly mafy Izy ary hatao tsinontsinona?
Nony tafaverina teo amin’ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalàna niady hevitra taminy teo.
Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.
Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.