Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 8:36 - DIEM PROTESTANTA

Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa inona moa no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy kanefa very ny ainy?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa inona moa no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy kanefa very ny ainy?

Jereo ny toko



Marka 8:36
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe: –Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy.


Mba mahasoa an’Andriamanitra ve ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany izy raha hendry.


Aza mba mialona raha misy tonga mpanana, raha mitombo voninahitra ny tranony.


Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory.


Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny ainy?


Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy.


Ary inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny ainy?


Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny tenany very na hitondra faisana?


Inona àry no vokatra azonareo tamin’ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany.