Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. [
Marka 7:23 - DIEM PROTESTANTA Ireo zava-dratsy rehetra ireo no mipoitra avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireny zavatra ratsy rehetra ireny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo zava-dratsy rehetra ireo no mipoitra avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy. Baiboly Katolika izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.» Baiboly Protestanta Malagasy izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy. Malagasy Bible izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy. La Bible en Malgache Ireny zavatra ratsy rehetra ireny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy. |
Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. [
ka hoy i Jesoa taminy: –Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy etỳ ivelany ka miditra ao amin’ny olona dia tsy mahaloto azy,
Dia hoy koa i Jesoa: –Ny zavatra mipoitra avy ao amin’ny olona, izany no mahaloto ny olona;
haka vadin’olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra.
Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin’ny faritany akaikin’ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina.
Raha misy olona manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimbàn’Andriamanitra koa. Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, ary ianareo no tempoliny!
Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa tsy misy madio na inona na inona amin’ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Toy izany koa ireo mpampianatra sandoka ireo: mirediredy ka mandoto ny nofony sady mandà ny maha Tompo an’i Kristy ary manevateva ireo atao hoe voninahitra.