Tsy takatrareo ve fa izay rehetra miditra ao am-bava dia lasa any an-kibo ka alefa any amin’ny fanariana azy.
Marka 7:19 - DIEM PROTESTANTA satria tsy miditra ao am-pony fa ao an-kibony ihany, ka alefa any amin’ny fanariana azy. (Izany no nentin’i Jesoa nanambara fa madio avokoa ny hanina rehetra). Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin’ny toeram-pivoahana. Izany no nolazainy mba hampadio ny sakafo rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria tsy miditra ao am-pony fa ao an-kibony ihany, ka alefa any amin’ny fanariana azy. (Izany no nentin’i Jesoa nanambara fa madio avokoa ny hanina rehetra). Baiboly Katolika satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. Malagasy Bible satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. La Bible en Malgache Satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany ka mivoaka any amin’ny toeram-pivoahana. Izany no nolazainy mba hampadio ny sakafo rehetra. |
Tsy takatrareo ve fa izay rehetra miditra ao am-bava dia lasa any an-kibo ka alefa any amin’ny fanariana azy.
ka hoy i Jesoa taminy: –Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy etỳ ivelany ka miditra ao amin’ny olona dia tsy mahaloto azy,
Nefa dia mbola injay indray ilay feo nanao taminy hoe: –Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.
Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: «Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.»
«Ny hanina fanao an-kibo ary ny kibo fasian-kanina», hoy ianareo, kanefa samy zavatra horavan’Andriamanitra izy roroa. Ny tenantsika kosa tsy natao ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tenantsika.
Aza avela hisy olona hitsara anareo momba ny zava-pihinana sy ny zava-pisotro, na ny fombafomba fanao amin’ny fankalazana na amin’ny tsinambolana na amin’ny sabata.