Fanoharana no nanambaran’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka. Ary tsy nanambara zavatra tamin’ny vahoaka afa-tsy tamin’ny fanoharana i Jesoa,
Marka 4:34 - DIEM PROTESTANTA Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra. Baiboly Katolika Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha tsy tamin’ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo. Malagasy Bible Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo. La Bible en Malgache Tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo. |
Fanoharana no nanambaran’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka. Ary tsy nanambara zavatra tamin’ny vahoaka afa-tsy tamin’ny fanoharana i Jesoa,
Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana ireo mpomba Azy mbamin’ny 12 lahy,
Dia fanoharana maro tahatahaka izany no nanambaràn’i Jesoa ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona, araka izay mety ho takatry ny sain’ny mpihaino.
Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.
Izany fanoharana izany dia nolazain’i Jesoa tamin’ireo Jiosy, kanefa tsy azon-dry zareo ny zavatra noresahiny taminy.
–Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray.
Dia nanao fotoana tamin’i Paoly ireo, ka nihamaro ny tonga tamin’ny andro voatendry, tao amin’ny trano nitoerany. Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, dia nanao famelabelarana i Paoly; vavolombelona nanambara ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesoa, tamin’ny teny notsoahany avy amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany.