Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.
Marka 4:11 - DIEM PROTESTANTA ka novaliany hoe: –Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy taminy: Ianareo no efa nomena ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ireo izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka novaliany hoe: –Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra, Baiboly Katolika Ary hoy Izy taminy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana, Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana; Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana; La Bible en Malgache Ary hoy Izy taminy: Ianareo no efa nomena ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ireo izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana |
Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.
Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe: –Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra.
Fa nantsoin’i Jesoa iretsy mpahay lalàna ka fanoharana no nitenenany taminy hoe: –Ahoana no hahafahan’i Satàna mandroaka an’i Satàna?
Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana ireo mpomba Azy mbamin’ny 12 lahy,
Fanoharana no nampianaran’i Jesoa zavatra maro azy; ary nandritra ny fampianarany no nitenenany taminy hoe:
ka namaly hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka «hijery izy fa tsy hahita ary hihaino fa tsy hahafantatra.»
Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin’ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin’Andriamanitra? Ary raha nandray tamin’Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?
Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.
Dia nampahafantarin’Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon’ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin’ny Zanany.
Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan’izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa.
dia haneho fitondrantena mendrika eo anoloan’ny tsy kristianina ianareo no sady tsy hanao tanty reraka amin’ny hafa.
tokony ho tsara laza amin’ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baràka sy ho voan’ny fandriky ny devoly.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.