Dia nalefan’i Jesoa hody ny vahoaka. Avy eo niondrana an-tsambokely Izy ary lasa nankany amin’ny faritany atao hoe Magadàna.
Marka 3:9 - DIEM PROTESTANTA Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan’ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambokely iray ho Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, mba tsy hifanositosika Aminy ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan’ny vahoaka. Baiboly Katolika Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka, fandrao dia poritin’ny olona Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Izy nilaza tamin’ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo. Malagasy Bible Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo. La Bible en Malgache Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambokely iray ho Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, mba tsy hifanositosika Aminy ny olona. |
Dia nalefan’i Jesoa hody ny vahoaka. Avy eo niondrana an-tsambokely Izy ary lasa nankany amin’ny faritany atao hoe Magadàna.
Dia nampianatra teo moron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron’ny farihy.
Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy.
Raha vao niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nisy lehilahy nipoitra avy eny amin’ny fasana, tonga nitsena Azy. Azon’ny fanahy maloto ralehilahy,
Niaraka tamin’izay koa dia tsapan’i Jesoa fa nisy hery niala avy tao aminy; ka niherikerika teo afovoan’ny vahoaka Izy nanontany hoe: –Iza no nikasika ny lambako teo?
Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron’ny farihin’i Genesareta iny, dia nitangoronan’ny vahoaka te hihaino ny tenin’Andriamanitra.
Dia niakaran’i Jesoa ny sambokely anankiray izay an’i Simôna, ka niangavian’i Jesoa i Simôna hihataka kely amin’ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.
Fantatr’i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.