Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Marka 3:29 - DIEM PROTESTANTA fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy. Baiboly Katolika fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay.» Baiboly Protestanta Malagasy fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelankeloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, Malagasy Bible fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, La Bible en Malgache fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy. |
Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpahay lalàna dia nanao anakampo hoe: «Manevateva an’Andriamanitra ilay io!»
Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.
Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin’ireo, ka tsy hifanatri-tava amin’ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo
toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.
toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.