Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 3:2 - DIEM PROTESTANTA

Dia nizaha taratra an’i Jesoa ny olona raha hanasitrana an’io marary io amin’ny andro sabata Izy, mba hahazoany miampanga Azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nijery izay ho fihetsiny ny olona, na hanasitrana an’ilay marary amin’ny Sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nizaha taratra an’i Jesoa ny olona raha hanasitrana an’io marary io amin’ny andro sabata Izy, mba hahazoany miampanga Azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary nizaha taratra Azy ny sasany na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ny Sabata Izy, na tsia, mba hiampangany Azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nijery izay ho fihetsiny ny olona, na hanasitrana an’ilay marary amin’ny Sabata* Izy na tsia, mba hiampangany Azy.

Jereo ny toko



Marka 3:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Tsikilovin’ny olon-dratsy ny olo-marina ary tadiaviny izay hahafaty azy, fa tsy avelan’ny Tompo ho azony na ho voaheloka any am-pitsarana.


Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty


Ary nihoaran’io Daniela io avokoa ireo mpitantan-draharaha anankiroa sy ireo solotenan’andriamanjaka tamin’ny fananany fanahy tena fatratra, koa nokasain’ny mpanjaka hatao lehibe eo amin’ny fanjakana manontolo izy.


Nisy lehilahy maty tanana anila tao; ary te hiampanga an’i Jesoa ny olona ka nanontany Azy hoe: –Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?


Fa hoy i Jesoa tamin’ilay lehilahy maty tanana: –Ndeha mijoro etsy afovoan’ny olona.


Indray sabata, nandroso hisakafo tao an-tranon’izay lohandohan’ny Farisianina izay i Jesoa, ka notsikilovin-dry zareo fatratra.


Ary nataon’ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan’i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina.


ary nizaha taratra an’i Jesoa ireo mpahay lalàna sy Farisianina raha hanasitrana amin’ny andro sabata Izy mba hahitany antony hiampangana Azy.


Nolazain’ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany.


Tamin’izay ny sasany tamin’ireo Farisianina dia nanao hoe: –Tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny fepetra momba ny sabata! Ny sasany kosa nanao hoe: –Fomba ahoana moa no ahafahan’olona mpanota manao famantarana toy ireny? Dia nisara-tsaina ry zareo.