Marka 2:12 - DIEM PROTESTANTA Dia nitsangana ilay malemy ka nibata ny fandriany avy hatrany ary lasa nandeha teo imason’ny olona rehetra. Dia talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nahita zavatra toy izao na oviana na oviana isika! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsangana izy ka nibata ny fandrianany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitsangana ilay malemy ka nibata ny fandriany avy hatrany ary lasa nandeha teo imason’ny olona rehetra. Dia talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nahita zavatra toy izao na oviana na oviana isika! Baiboly Katolika Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. Malagasy Bible Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. La Bible en Malgache Dia nitsangana izy ka nibata ny fandrianany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. |
Gaga ny vahoaka raha nahita ny moana niteny, ny kilemaina nanjary tomady, ny mandringa nandeha tsara sy ny jamba nahiratra, ka dia nanome voninahitra an’ilay Andriamanitr’i Israely.
Rehefa voaroakan’i Jesoa ny demony, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao teto amin’i Israely!
Natahotra ny vahoaka nony nahita izany ary nanome voninahitra an’Andriamanitra Izay nanolotra fahefana hamela heloka toy izany tamin’ny olona.
Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!
Dia nametrahan’i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin’izay ka nanome voninahitra an’Andriamanitra.
Ny anankiray, raha vao nahita fa sitrana, dia niverina ka niantsoantso nanome voninahitra an’Andriamanitra,
Talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady raiki-tahotra nanao hoe: –Zava-mahagaga ity hitantsika androany itỳ?
Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an’Andriamanitra hoe: –Mpaminany lehibe no efa najoron’Andriamanitra eto anivontsika! Ary koa hoe: –Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!
Maro kosa tamin’ny vahoaka no nino Azy sady niteny hoe: «Rehefa tonga ny Mesia, moa ve hanao famantarana maro mihoatra ny nataon’Izy io?»
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason’olona teraka jamba.
Norahonan’ireto manampahefana indray i Petera sy i Jôhany vao nalefany. Tsy nahita izay hampiharana sazy ry zareo satria ny vahoaka efa samy nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny zava-nitranga teo.