Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 16:2 - DIEM PROTESTANTA

Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy telo vavy

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana izy ireo raha vao niposaka ny masoandro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy telo vavy

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony maraina koa tamin’ny voalohan’andro amin’ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana izy ireo raha vao niposaka ny masoandro.

Jereo ny toko



Marka 16:2
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.


Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa.


Rehefa tapitra ny andro sabata, dia lasa i Maria ilay avy any Magdalà sy i Salôme ary i Maria renin’i Jôsèta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an’i Jesoa.


ary nifampilaza hoe: –Iza no hasaintsika hanakodia ny vato avy eo amin’ny vavafasana?


Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany.


Ny andro alahady, dia nandeha maraina be mbola maizimaizina i Maria Magdalena hankany amin’ny fasana, ka nahita ny vato efa voaesotra lavitry ny fasana.