Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.
Marka 16:12 - DIEM PROTESTANTA Taorian’izany, dia roa lahy tamin’ireo mpianatra no nisehoan’i Jesoa tamin’ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’izany Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy namany, izay nankany an-tsaha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany, dia roa lahy tamin’ireo mpianatra no nisehoan’i Jesoa tamin’ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy. Baiboly Katolika Manaraka izany i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roalahy amin’izy ireo, izay nankany an-tsaha. Baiboly Protestanta Malagasy Ary taorian’izany Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha. Malagasy Bible Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha La Bible en Malgache Taorianan’izany Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy namany, izay nankany an-tsaha. |
Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.
Raha mbola nivavaka i Jesoa, dia niova ny fahitana ny tarehiny ary tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany.
Tamin’izany, dia niseho tamin’ny mpianany indray i Jesoa teo amoron’ny farihin’i Tiberiada, ary toy izao no nisehoany.
Izany no fisehoan’i Jesoa fanintelony tamin’ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin’ny maty.
Porofo maro no nentin’i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian’ny nahafatesany: niseho tamin’ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn’Andriamanitra.