Raha niantso ihany aho, ka namaly ahy aza izy, dia tsy ho nino aho fa nekeny ny fitalahoako.
Marka 16:11 - DIEM PROTESTANTA Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dRavehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino. Baiboly Katolika Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany. Malagasy Bible Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany La Bible en Malgache Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dRavehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany. |
Raha niantso ihany aho, ka namaly ahy aza izy, dia tsy ho nino aho fa nekeny ny fitalahoako.
Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana.
Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!
Mbola tsy nino ihany anefa ireto mpianatra satria faly loatra sady gaga, ka hoy i Jesoa taminy: –Misy zavatra azo hanina ve eto aminareo?
Ka hoy ny mpianatra sasany tamin’i Tômà: –Efa nahita ny Tompo izahay! Fa hoy i Tômà taminy: –Raha tsy hitako eo amin’ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin’ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho.