Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:3 - DIEM PROTESTANTA

Tany Betania i Jesoa tamin’izay ary tao an-tranon’i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nony tany Betania Jesosy ka nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Simona boka dia avy ity vehivavy iray izay nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra nisy narda tena sarobidy; novakiny ny tavoara ka nararany tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka manitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tany Betania i Jesoa tamin’izay ary tao an-tranon’i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka izy, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana izy. Nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy, ary novakiny ny tavoara, dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara ala-bastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nony tany Betania Jesosy ka nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Simona boka dia avy ity vehivavy iray izay nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra nisy narda tena sarobidy; novakiny ny tavoara ka nararany tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka manitra.

Jereo ny toko



Marka 14:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Fony mbola eo amin’ny fanasàny no mipetraka ity mpanjakako, dia mamerovero aoka izany ny ilomanitro natao tamin’ny narda.


Mitsangana aho hamoha ny malalako. Mitsonika menaka miora ny tanako sy ny rantsan-tanako, raha mamoha ny hidin-trano aho.


Dia nilaozan’i Jesoa ry zareo; ary niala tao an-tanàna Izy hankany Betania, ka nandry tany.


Toy izany koa no nataon’ilay nandray ny denàry 12 000 ka nahazo tombony denàry 12 000.


Nefa hoy ry zareo: –Aoka tsy ho amin’ny andro fankalazana, fandrao hitabataba ny vahoaka.


Ary nisy sasany tezitra ka nifampilaza hoe: –Nahoana no dia lanîna foana tahaka izao ity ilomanitra?


I Maria dia ilay vehivavy nanosotra ilomanitra ny tongotry ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary.