Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.
Marka 13:30 - DIEM PROTESTANTA Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany. Baiboly Katolika Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Baiboly Protestanta Malagasy Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Malagasy Bible Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. La Bible en Malgache Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. |
Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.
Lazaiko marina aminareo fa hitambesatra amin’ny olona ankehitriny avokoa izany rehetra izany.
Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany.
Toy izany koa, raha vao hitanareo tonga izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Zanak’olona ary mby eo am-baravarana.
Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra tonga amin-kery mahagaga.
Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tanteraka izany rehetra izany.