Marka 13:1 - DIEM PROTESTANTA Nony niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: –Mpampianatra ô, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nony niala teo amin’ny tempoly Jesosy dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: Mpampianatra ô, akory ny hatsaran’ireto vato sy rafitra ireto! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: –Mpampianatra ô, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra! Baiboly Katolika Nony nivoaka avy ao amin’ny Tempoly Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: «Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra!» Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto! Malagasy Bible Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto! La Bible en Malgache Ary nony niala teo amin’ny tempoly Jesosy dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: Mpampianatra ô, akory ny hatsaran’ireto vato sy rafitra ireto! |
Dia nikopaka elatra handeha ireo kerobima ka tsinjoko niakatra niala avy amin’ny tany, ary niara-niainga taminy koa ireo kodiarana. Nijanona teo anilan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO izy ka namirapiratra teo amboniny ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely.
Niakatra avy eo ambonin’ny kerobima hankeny amin’ny tokonam-baravaran’ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.
Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»