Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 12:7 - DIEM PROTESTANTA

Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo mpiasa tany ireo anefa dia nifampiresaka hoe: Ity no mpandova! Andeha hovonointsika izy dia ho antsika ny lova.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: ‹Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo mpiasa tany ireo anefa dia nifampiresaka hoe: Ity no mpandova! Andeha hovonointsika izy dia ho antsika ny lova.

Jereo ny toko



Marka 12:7
18 Rohy Ifampitohizana  

Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.


Andeha hovonointsika ho faty izy, dia hatsipintsika ao anatin’ny anankiray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, ka holazaintsika hoe lanin’ny biby masiaka. Amin’izay dia ho hitantsika raha ho tanteraka ny nofiny.


Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»


Tamin’izay dia tsinjon’i Herôda fa voafitak’ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin’ireo olon-kendry.


Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra.


Ary nitady hisambotra an’i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan’izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha.


Olona iray sisa teo amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka hoe: «Hananan’ireo hena-maso ny zanako!»


Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.


Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin’ny fikasan’Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana tamin’ny alalan’ny ratsy fanahy;


nataony hoe: –Noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ny anaran’iny Lehilahy iny; kanjo vao mainka nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema iray vohitra, ka satrinareo ho tompon’andraikitra amin’ny nahafatesan’iny Lehilahy iny izahay.


Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.


fa amin’izao andro farany izao kosa dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian’Andriamanitra izao tontolo izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra.