Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin’izy rehetra ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.
Marka 12:12 - DIEM PROTESTANTA Ary nitady hisambotra an’i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan’izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka satria fantany fa mahakasika azy ireo ny nilazan’i Jesosy ilay fanoharana. Dia nandao an’i Jesosy ny olona ka lasa nandeha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nitady hisambotra an’i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan’izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha. Baiboly Katolika Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin’izany fanoharana izany; dia nandao an’i Jesosy ny olona ka lasa. Malagasy Bible Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa. La Bible en Malgache Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka satria fantany fa mahakasika azy ireo ny nilazan’i Jesosy ilay fanoharana. Dia nandao an’i Jesosy ny olona ka lasa nandeha. |
Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin’izy rehetra ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.
Ary nahare izany ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna, ka nitady izay fomba hamonoana an’i Jesoa; fa natahotra Azy manko ry zareo satria nahatalanjona ny vahoaka rehetra ny fampianarany.
Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy...» (Natahotra ny vahoaka ry zareo satria neken’ny olona rehetra fa mpaminanin’Andriamanitra tokoa i Jôhany).
Nitady hisambotra an’i Jesoa tamin’izay ireo mpahay lalàna sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan’iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo.
Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia indray hitora-bato hamono antsika ny vahoaka, satria nekeny ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.
Tamin’izay ny mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: –Tsy Izy io ve Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?
Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoanandron’i Jesoa.
ny sasany tamin’izy ireo dia nitady hisambotra Azy, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.