Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 10:27 - DIEM PROTESTANTA

Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: «Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Marka 10:27
15 Rohy Ifampitohizana  

Saingy mbola zavatra kely eo imason’ny TOMPO ihany izany; fa hanolotra ny tanin’i Môaba eo an-tananareo koa Izy.


Fa ny dekà, izay nianteheran’ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisà: –Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.


Fantatro fa mahay ny zava-drehetra Ianao, ary tsy misy maharara izay tianao hatao.


–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny fahefànao, ka tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.


–Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va?


Dia hoy ihany Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Raha sarotra atao ho amin’ireo andro ireo izany ho an’ny vahoaka israelita sisa velona, dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa raha amin’Andriamanitra, dia hainy avokoa ny zavatra rehetra.


Vao mainka talanjona ireo mpianatra ka nifanontany hoe: –Ka iza àry no mety ho voavonjy?


Fa tsy misy zavatra tsy ho vitan’Andriamanitra!


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ny tsy vitan’olombelona, vitan’Andriamanitra.


Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin’ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.


Noheverin’i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana an’i Itsehàka avy any amin’ny maty; ka dia noraisin’i Abrahama indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.


Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.