Izao kosa no lazaiko aminareo: na iza na iza lehilahy manary vady, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady, ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny teo aloha.
Marka 10:11 - DIEM PROTESTANTA ka hoy i Jesoa taminy: –Na iza na iza lehilahy manary vady ka mampakatra vehivavy hafa dia manitsakitsaka ny vadiny teo aloha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Izy taminy: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga eo anatrehan’ilay voalohany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka hoy i Jesoa taminy: –Na iza na iza lehilahy manary vady ka mampakatra vehivavy hafa dia manitsakitsaka ny vadiny teo aloha. Baiboly Katolika ka hoy Izy taminy: «Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny. Malagasy Bible Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny. La Bible en Malgache Dia hoy Izy taminy: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga eo anatrehan’ilay voalohany izy. |
Izao kosa no lazaiko aminareo: na iza na iza lehilahy manary vady, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady, ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny teo aloha.
Izay rehetra manary vady ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny taloha; ary izay mampakatra vehivavy nariam-bady, dia maka vadin’olona.
Koa raha manambady olon-kafa ravehivavy fahavelon’ny lahy, dia atao hoe mpanitsakitsa-bady; fa rehefa maty ny lahy vao afaka amin’ny lalàna izy, ka tsy mpanitsakitsa-bady intsony raha manambady olon-kafa.
Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa an’ny lahy izany; toy izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa an’ny vavy izany.
Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin’olona.