Nisy nampandre izany tamin’i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baràka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mijanòna any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.»
Josoa 6:24 - DIEM PROTESTANTA Vita izay, dia nodorana tamin’ny afo ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy sy volamena ary ny fanaka halimo sy vy izay napetraka ho rakitra tao an-tranon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ny afo nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ny trano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vita izay, dia nodorana tamin’ny afo ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy sy volamena ary ny fanaka halimo sy vy izay napetraka ho rakitra tao an-tranon’ny TOMPO. Baiboly Katolika Dia nodoran’ny zanak’i Israely ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy amam-bolamena, mbamin’ny fanaka rehetra varahina sy vy, izay napetrany ao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ny afo,–nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah. Malagasy Bible Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah. La Bible en Malgache Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ny afo nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ny trano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. |
Nisy nampandre izany tamin’i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baràka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mijanòna any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.»
Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.
Ireo fanaka ireo koa dia natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin’ny firenena hafa rehetra: dia ny Edômita sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekîta.
dia asio amin’ny sabatra ho faty ny mponina sy ny biby fiompy amin’io tanàna io ka ataovy levona tanteraka ny tanàna sy izay rehetra eo aminy:
angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Fa ny tanànan’ireto firenena ireto, tanàna izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia tsy havelanareo hisy miangana izay olona sy mananaina rehetra ao.
ary nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao; tsy nisy zava-manana aina niangàna mihitsy, sady nodorana ny tanàna.
Ny volafotsy sy volamena rehetra ary ny fanaka rehetra halimo sy vy dia hatokana ho Azy TOMPO ka haiditra ao amin’ny firaketan’ny TOMPO.
Fa i Rahaba mpivaro-tena mbamin’ny fianakaviany manontolo kosa dia novelomin’i Josoa noho ny nanafenan-dravehivavy an’ireo mpitsikilo izay nalefany tany Jerikao. Nonina teo anivon’ny Israelita i Rahaba ary mbola ao mandraka androany ny taranany.
Nodoran’i Josoa i Hay ary nataony antontan-trano rava sy haolo mandrakizay, ka dia toy izany mandraka androany.
Ny tandroka folo sy ny biby efa hitanao kosa no hankahala ilay vehivavy janga, ka hahatonga azy hanirery sy hampitanjaka azy ary hihinana ny nofony sy handevona ny tenany amin’ny afo.
Noho izany, anatin’ny indray andro monja no hiantontan’ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, sady handevonan’ny afo azy; satria mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.»