Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 6:12 - DIEM PROTESTANTA

Nifoha vao maraina be i Josoa ny ampitso ary nolanjain’ny mpisorona indray ny Vatamasin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nifoha vao maraina i Josoa ary nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny mpisorona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nifoha vao maraina be i Josoa ny ampitso ary nolanjain’ny mpisorona indray ny Vatamasin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny ampitson’iny, dia nifoha i Jôsoe, ary nitondra ny fiaran’i Iaveh ny mpisorona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nifoha vao maraina i Josoa ary nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny mpisorona.

Jereo ny toko



Josoa 6:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.


dia nofeperany ny Levita, izay mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ka nataony hoe:


Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin’ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin’i Sitima ary nankany amoron’i Jôrdàna, dia nijanona teo alohan’ny hiampitany.


Dia nentina nanodidina ny tanàna indray mandeha ny Vatamasin’ny TOMPO; ary niverina tany an-toby ny Israelita ka nandry tao.


Ny mpisorona fito mpitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina. Ny andian-tafika mpamaky lay nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana dia notsofina hatrany ny trompetra.


Niainga vao maraina ny vatan-dehilahy israelita ka nitoby tao akaikin’i Gibehà.