Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 24:29 - DIEM PROTESTANTA

Taorian’izany zavatra izany, dia maty teo amin’ny faha-110 taonany i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanompon’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary taorianan’izany zava-nitranga rehetra izany dia maty i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’NY TOMPO, rehefa folo amby zato taona ny androny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’izany zavatra izany, dia maty teo amin’ny faha-110 taonany i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanompon’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Iaveh, tamin’ny faha 110n’ny taonany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary taorianan’izany zava-nitranga rehetra izany dia maty i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’NY TOMPO, rehefa folo amby zato taona ny androny.

Jereo ny toko



Josoa 24:29
10 Rohy Ifampitohizana  

Nipetraka tany Ejipta i Jôsefa sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainan’i Jôsefa,


Maty i Jôsefa, rehefa feno 110 taona. Nohosorana zava-manitra ny fatiny; ary tao anaty vata vato no nametrahana azy tany Ejipta.


Tsy ireo maty no hidera ny TOMPO na ireo mitsitra any an-toera-mangina;


Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO.


Dia noravan’i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin’ny zarataniny avy.


Koa nalevina teo amin’ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.


Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin’ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin’ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»


Ary maty i Josoa, zanakalahin’i Nona sady mpanompon’ny TOMPO, rehefa feno 110 taona.


Dia tao amin’ny faritra anjara lovany no nandevenana azy, izany hoe tao Timnata-Heresa, any amin’ny tany be tendrombohitra any Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.