Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 24:28 - DIEM PROTESTANTA

Dia noravan’i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin’ny zarataniny avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nampodìn’i Josoa samy ho any amin’ny lovany avy ny vahoaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia noravan’i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin’ny zarataniny avy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nampodin’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nampodin’i Josoa ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nampodìn’i Josoa samy ho any amin’ny lovany avy ny vahoaka.

Jereo ny toko



Josoa 24:28
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny sisa tamin’ny Israelita sy ny mpisorona ary ny levita dia teny amin’ny tanàna rehetra tao Joda, samy teo amin’ny zarataniny avy.


Amin’izay dia tsy hisy zara tany hifindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy ho eo amin’ny zara tany azon’ny fokon-drainy avy no hifikiran’ny Israelita.


ary tsy hisy zara tany hifindra foko, fa samy ho eo amin’ny zara taniny avy no hifikiran’ny foko israelita.


Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: –Modia any aminareo miaraka amin’ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin’ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin’ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon’i Manase dia nomen’i Mosesy zaratany tao Basàna, teny ampita atsinanan’i Jôrdàna; ny antsasany kosa nomen’i Josoa zaratany teny ampita andrefan’i Jôrdàna, niaraka tamin’ireo foko hafa.


Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!


Taorian’izany zavatra izany, dia maty teo amin’ny faha-110 taonany i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanompon’ny TOMPO.


Rehefa nampodin’i Josoa ny vahoaka, dia samy nandeha namonjy ny anjara taniny avy ny Israelita rehetra, ka nahazo ny tany.