Satria matahotra ny famaizan’Andriamanitra aho ka tsy afa-manoatra manoloana ny fiandrianany.
Josoa 24:27 - DIEM PROTESTANTA Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo! Baiboly Katolika Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: «Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamintsika io; ho vavolombelona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo hianareo. Malagasy Bible Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo. La Bible en Malgache Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo. |
Satria matahotra ny famaizan’Andriamanitra aho ka tsy afa-manoatra manoloana ny fiandrianany.
Ny fanaovako izany zavatra izany dia heloka melohin’ny mpitsara ihany koa, satria fandavako an’Andriamanitra Avo Indrindra.
Fandrao ho tototra harena aho, dia handà Anao ka hahateny hoe: ‹Fa iza moa ny TOMPO?› na fandrao hahantra aho, dia mety hangalatra ka hanala baràka ny anaran’Andriamanitro».
Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.
Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.
Fa na dia ny vato amin’ny rindrina aza hiantsoantso hiampanga anareo, ary ny sakamandimby eo amin’ny trano no hanako hamaly azy.
fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »
Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!
Miantso ny tany amana habakabaka aho anio ho vavolombelona aminareo fa ataoko eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny ozona: koa fidio ny fiainana, mba ho velona ianareo sy ny taranakareo.
Ary ankehitriny, aoka hisy hanoratra izao tononkira hampitaiko aminareo izao; ka ianao, ry Mosesy, no mampianara azy amin’ny Israelita. Ary aoka tsy ho afaka am-bavan’ny Israelita izany tononkira izany mba ho vavolombelona hiampangako azy.
Rehefa hianjadian’ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan’ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan’ny hitondrako azy any amin’ny tany izay nianianako homena azy izao aza.
–Raiso ity bokin’ny Lalàna ity, ka apetraho ao anilan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamanitrareo; ka ho eo hatrany izany boky izany mba ho vavolombelona hiampanga ny Israelita.
Raha manao izany ianareo, dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio no manambara fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hiampitanareo an’i Jôrdàna mba halainareo ho fananana; tsy ho maro andro honenana eo ianareo, fa haringana tokoa.
Miaiky izy fa mahalala an’Andriamanitra, nefa mandà Azy amin’ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
Ary hoy kosa ny Reobenita sy Gadîta hoe: –Ity alitara ity no vavolombelona aminay sy aminareo fa ny TOMPO no Andriamanitra. Dia nataony hoe «Vavolombelona» no anaran’izany alitara izany.
Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy.
Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan’i Mitsepà sy i Sèna izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na «Vatom-pamonjena», fa hoy izy hoe: «Efa namonjy antsika hatretỳ ny TOMPO.»