Mamelombelona aina ny hatsiakan’ny rano mamanala amin’ny fotoam-pijinjana mafana; mamelombelona aina toy izany koa ny iraka mahatoky amin’ny tompony naniraka azy.
Josoa 22:32 - DIEM PROTESTANTA Taorian’izany, dia nandao ny Reobenita sy Gadîta tao Gilehada i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara mpisorona sy ireo loholona ka niverina ho any amin’ny Israelita hafa tany Kanahàna ary nanao tatitra taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’i Robena sy i Gada tany amin’ny tany Gileada ka nankany amin’ny tany Kanana ho any amin’ny Zanak’Israely ary nitondra valinteny ho any aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany, dia nandao ny Reobenita sy Gadîta tao Gilehada i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara mpisorona sy ireo loholona ka niverina ho any amin’ny Israelita hafa tany Kanahàna ary nanao tatitra taminy. Baiboly Katolika Dia nandao ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona, ka niverina, avy amin’ny tany Galaada, ho any amin’ny tany Kanaana, ao amin’ny zanak’i Israely, ka nanao ny filazany tamin’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’i Robena sy Gada tany amin’ny tany Gileada ka nankany amin’ny tany Kanana ho any amin’ny Zanak’Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy. Malagasy Bible Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy. La Bible en Malgache Ary i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’i Robena sy i Gada tany amin’ny tany Gileada ka nankany amin’ny tany Kanana ho any amin’ny Zanak’Israely ary nitondra valinteny ho any aminy. |
Mamelombelona aina ny hatsiakan’ny rano mamanala amin’ny fotoam-pijinjana mafana; mamelombelona aina toy izany koa ny iraka mahatoky amin’ny tompony naniraka azy.
Koa hoy i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara mpisorona, tamin’izy telo tonta: –Ankehitriny dia fantatray fa eto afovoantsika ny TOMPO satria tsy nahavita izany fahadisoana izany taminy ianareo. Koa dia efa nanafaka ny Israelita tsy hiharan’ny famaizan’ny TOMPO ianareo.
Dia nahafa-po ny Israelita izany sady nisaorany an’Andriamanitra. Tsy noheveriny intsony ny handeha hiady amin’ny Reobenita sy Gadîta ka handrava ny tany izay nonenany.