Izany fahoriana rehetra izany dia nihatra tamin’izy ireny ho ohatra fananarana, ary natao an-tsoratra ho fampitandremana antsika izay mby eo an-katoky ny andro farany.
Josoa 22:17 - DIEM PROTESTANTA Moa mbola tsy ampy ho antsika ve ny heloka tao Pehôra, izay tsy mbola nodiovina ho afaka amintsika mandraka androany na dia efa nisy aza ny aretina nahavoa antsika fiangonan’ny TOMPO? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’i Peora izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’izany mandraka androany, na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ny fiangonan’NY TOMPO, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Moa mbola tsy ampy ho antsika ve ny heloka tao Pehôra, izay tsy mbola nodiovina ho afaka amintsika mandraka androany na dia efa nisy aza ny aretina nahavoa antsika fiangonan’ny TOMPO? Baiboly Katolika Tsy ampy ho antsika va ny heloka tamin’i Fogôra, nefa mbola tsy nahadio tena ho afaka amin’izany isika mandraka androany, na dia efa nasian’ny loza aza ny fiangonan’i Iaveh, Baiboly Protestanta Malagasy Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’izany mandraka andro-any, na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ny fiangonan’i Jehovah, Malagasy Bible Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah, La Bible en Malgache Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’i Peora izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’izany mandraka androany, na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ny fiangonan’NY TOMPO, |
Izany fahoriana rehetra izany dia nihatra tamin’izy ireny ho ohatra fananarana, ary natao an-tsoratra ho fampitandremana antsika izay mby eo an-katoky ny andro farany.
Aoka isika tsy ho mpijangajanga toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay nahafatesana 23 000 indray andro monja.